Tratry ny fetin'ny ray

Inona no mahatonga ny Dada ho 1

Inona no mahatonga ny Dada ho

Andriamanitra naka ny herin'ny tendrombohitra iray,

Ny voninahitry ny hazo,

Ny hafanan'ny masoandro amin'ny fahavaratra,

Ny fitoniana ao anaty ranomasina tony,

Ny fanahin'ny natiora malala-tanana,

Ilay sandry mampionona amin'ny alina,

Ny fahendren'ny taona maro,

Ny herin'ny sidin'ny voromahery,

Ny fifalian'ny maraina amin'ny lohataona,

Ny finoana toy ny voan-tsinapy,

Ny faharetan'ny mandrakizay,

Ny halalin'ny filàn'ny fianakaviana,

Dia nampiarahan'Andriamanitra ireo toetra ireo,

Rehefa tsy nisy zavatra hafa azo ampiana intsony,

Fantany fa vita ny sangan'asany,

Ary dia niantso izany Izy hoe…Dada.


Fotoana fandefasana: 18 Jona 2022